Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 1:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)

16. ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.

17. Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.

18. Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?

19. Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.

20. Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.

21. Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.

22. Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 1