Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 9:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.

9. Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,

10. dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.

11. Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.

12. Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.

13. Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.

14. Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.

15. Dia nihodina aho ka nidina niala tamin'ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.

16. Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin'ny lalana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.

17. Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.

18. Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 9