Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 6:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana,

2. mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.

3. Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.

4. Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.

5. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.

6. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.

7. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;

8. ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,

9. ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.

10. Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,

11. sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,

12. dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

13. Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.

14. Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 6