Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 34:6-12 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.

7. Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.

8. Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy.

9. Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

10. Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika

11. tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra

12. ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 34