Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 32:7-12 Malagasy Bible (MG1865)

7. Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin'ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;

8. Fony nomen'ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak'olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin'ireo firenena Araka ny isan'ny Zanak'Isiraely.

9. Fa anjaran'i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.

10. Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.

11. Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany,

12. Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 32