Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 32:34-52 Malagasy Bible (MG1865)

34. Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?

35. Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.

36. Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.

37. Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,

38. Izay nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny divain'ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.

39. Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin'ny tanako.

40. Fa manangana ny tanako amin'ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:

41. Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain'ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.

42. Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe amin'ny fahavalo.

43. Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony.

44. Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny olona, dia izy sy Hosea, zanak'i Nona.

45. Ary nony efa tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,

46. dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.

47. Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.

48. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:

49. Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin'ny tany Moaba tandrifin'i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak'Isiraely ho lovany.

50. Dia aoka ho faty ao amin'ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin'ny razanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin'ny razany,

51. satria nivadika tamiko teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo tao amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo.

52. Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin'ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 32