Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 28:65-68 Malagasy Bible (MG1865)

65. Ary any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa any no hanomezan'i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.

66. Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman'alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.

67. Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.

68. Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy. IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 28