Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 28:47-56 Malagasy Bible (MG1865)

47. satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra.

48. Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.

49. Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,

50. firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora

51. dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman'osinao, mandra-pandringany anao.

52. Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

53. Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

54. Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,

55. ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.

56. Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 28