Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 24:11-22 Malagasy Bible (MG1865)

11. Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.

12. Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,

13. fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany.

14. Aza manao fitondrana sarotra amin'ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin'ny taninao sy ao an-tanànanao.

15. Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.

16. Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona.

17. Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho tsatòka.

18. Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.

19. Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao.

20. Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.

21. Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.

22. Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 24