Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 22:8-21 Malagasy Bible (MG1865)

8. Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny rà ho ao an-tranonao ianao.

9. Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.

10. Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.

11. Aza mitafy lamba volon'ondry sy rongony mifamahofaho.

12. Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny lambanao izay itafianao.

13. Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,

14. dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:

15. dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna eo am-bavahady.

16. Dia hiteny amin'ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin'io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;

17. ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny loholona amin'ny tanàna izy mivady.

18. Ary halain'ny loholona amin'ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.

19. Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.

20. Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,

21. dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 22