Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 17:15-20 Malagasy Bible (MG1865)

15. dia izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin'ny rahalahinao ianao.

16. Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony.

17. Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.

18. Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin'ireo Levita mpisorona.

19. Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,

20. mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy sy ny taranany.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 17