Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 17:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.

11. Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin'ny teny izay hambarany aminao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.

12. Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.

13. Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.

14. Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,

15. dia izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin'ny rahalahinao ianao.

16. Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 17