Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 14:10-24 Malagasy Bible (MG1865)

10. fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.

11. Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.

12. Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay

13. ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy

14. ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,

15. ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,

16. ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa

17. ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana

18. ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.

19. Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.

20. Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.

21. Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

22. Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;

23. dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.

24. Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao,

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 14