Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 13:8-15 Malagasy Bible (MG1865)

8. dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra),

9. dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;

10. fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.

11. Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

12. Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.

13. Raha mandre teny ianao ny amin'ny tanànanao anankiray izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:

14. Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).

15. dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 13