Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 13:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,

4. dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.

5. Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.

6. Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin'ny lalana izay nasain'i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 13