Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 1:10-24 Malagasy Bible (MG1865)

10. Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra ianareo izao.

11. (Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)

12. Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?

13. Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.

14. Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.

15. Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.

16. Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.

17. Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.

18. Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.

19. Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.

20. Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;

21. indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.

22. Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.

23. Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;

24. ary niainga ireo ka niakatra tany amin'ny tany havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 1