Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Daniela 2:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.

2. Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka.

3. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.

4. Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.

5. Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.

6. Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.

Vakio ny toko manontolo Daniela 2