Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Amosa 8:9-14 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;

10. Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.

11. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah;

12. Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.

13. Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,

14. Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.

Vakio ny toko manontolo Amosa 8