7. Koa amin'izao dia ho voalohany amin'izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin'izay mitsilailay foana.
8. Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin'ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan'i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin'izay rehetra ao anatiny.
9. Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
10. Ary ny havan'izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah.
11. Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
12. Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?