Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Amosa 5:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;

2. Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.

3. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.

4. Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;

5. Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.

6. Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,

7. Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.

8. Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,

Vakio ny toko manontolo Amosa 5