Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Amosa 2:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.

4. Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany;

5. Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.

6. Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,

7. Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina;

8. Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy.

Vakio ny toko manontolo Amosa 2