Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 7:7-10 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.

8. Ary tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.

9. Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.

10. Ary nony tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 7