Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 6:4-15 Malagasy Bible (MG1865)

4. ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:

5. Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;

6. fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.

7. Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

8. Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.

9. Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.

10. Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.

11. Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely.

12. Ary Solomona nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany

13. fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra

14. ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,

15. sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 6