Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 35:18-25 Malagasy Bible (MG1865)

18. Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.

19. Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia no nitandremana izany Paska izany.

20. Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.

21. Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.

22. Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin'i Neko, izay nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin'ny lohasahan'i Megido.

23. Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an'i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.

24. Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.

25. Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny fihirana fisaonana izany.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 35