Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 34:18-23 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.

19. Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny tenin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy

20. sady nandidy an'i Hilkia sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Abdona, zanak'i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, ka nanao hoe:

21. Andeha manontany amin'i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny amin'ny tenin'io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman'ny razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin'io boky io.

22. Ary Hilkia sy izay notendren'ny mpanjaka dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.

23. Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 34