Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 34:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.

2. Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia.

3. Fa tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an'Andriamanitr'i Davida rainy; ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa dia niantomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony.

4. Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.

5. Ary nandoro ny taolan'ny mpisorona teo ambonin'ny alitarany izy, ka dia nanadio an'i Joda sy Jerosalema.

6. Ary tany amin'ny tanànan'ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin'ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,

7. dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.

8. Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an'i Safana, zanak'i Azalia, sy Mahaseia, komandin'ny tanàna, ary Joa, zanak'i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon'i Jehovah Andriamaniny.

9. Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.

10. Ary natolony ho eo an-tanan'ny lehiben'ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin'ny tranon'i Jehovah izany, ary natolotr'ireo kosa ho an'ny mpiasa izay niasa tao an-tranon'i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;

11. dia nomeny ho an'ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin'ny trano izay nosimban'ny mpanjakan'ny Joda.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 34