Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 33:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema .

2. Ary nanao izay ratsy eo mason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

3. Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo azy

4. sady nanorina alitara tao an-tranon'i Jehovah, dia tao amin'ilay nolazain'i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran'ny anarako mandrakizay.

5. Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'i Jehovah izy ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.

6. Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan'ny taranak'i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.

7. Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon'Andriamanitra, izay nolazain'Andriamanitra tamin'Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;

8. ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an'i Mosesy.

9. Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

10. Ary Jehovah niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 33