Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 31:7-15 Malagasy Bible (MG1865)

7. Tamin'ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana fahafito no nahavitany azy.

8. Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.

9. Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin'ireo niavosa ireo.

10. Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.

11. Ary nasain'i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia namboariny izany.

12. Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.

13. Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.

14. Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.

15. Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 31