Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 30:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.

5. Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.

6. Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria.

7. Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.

8. Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.

9. Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.

10. Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin'ny tanin'ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin'ny Zebolona; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana izy.

11. Kanefa kosa ny tamin'ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.

12. Ary ny tànan'Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin'i Jehovah.

13. Ary tamin'ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 30