Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 29:22-28 Malagasy Bible (MG1865)

22. Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.

23. Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;

24. dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.

25. Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.

26. Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.

27. Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.

28. Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 29