Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 28:2-18 Malagasy Bible (MG1865)

2. fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an'ireo Bala koa.

3. Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

4. Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.

5. Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.

6. Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

7. Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.

8. Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.

9. Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.

10. Ary ankehitriny ny taranak'i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo koa?

11. Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin'ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah.

12. Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin'ny taranak'i Efraima, dia Azaria, zanak'i Johanana, sy Berekia, zanak'i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak'i Saloma, ary Amasa, zanak'i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika

13. nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.

14. Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,

15. ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.

16. famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.

17. Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.

18. Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 28