Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 28:15-21 Malagasy Bible (MG1865)

15. ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.

16. famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.

17. Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.

18. Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.

19. Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.

20. Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.

21. Fa efa nalain'i Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 28