Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 28:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy,

2. fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an'ireo Bala koa.

3. Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

4. Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.

5. Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.

6. Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

7. Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.

8. Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 28