Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 26:19-23 Malagasy Bible (MG1865)

19. Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin'ny handriny teo anatrehan'ny mpisorona tao an-tranon'i Jehovah, tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

20. Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.

21. Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.

22. Ary ny tantaran'i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza;

23. Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an'ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 26