Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 23:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

14. Fa nasain'i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.

15. Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.

16. Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho olon'i Jehovah.

17. Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara.

18. Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.

19. Ary nalatsany teo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.

20. Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.

21. Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 23