Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 18:24-34 Malagasy Bible (MG1865)

24. Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny hierenao.

25. Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanana, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,

26. ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.

27. Fa hoy Mikaia: Raha tahìny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.

28. Dia niatatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.

29. Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin'ny ady.

30. Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy Ireo komandin'ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.

31. Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy;

32. ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.

33. Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelenalen'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.

34. Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 18