Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 15:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.

5. Ary tamin'izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin'ny tany.

6. Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana rehetra.

7. Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.

8. Ary raha ren'i Asa izany teny izany sy ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, sady nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny tranon'i Jehovah.

9. Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin'ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin'ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.

10. Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asa.

11. Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo.

12. Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,

13. ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 15