Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 24:1-16 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray tamin'ny Isiraely, ka dia nanome saina an'i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin'ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.

2. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba, komandin'ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen'isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.

3. Fa hoy Joaba amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?

4. Nefa tsy azon'i Joaba sy ny komandin'ny miaramila nolavina ny tenin'ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin'ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin'ny Isiraely.

5. Ary nita an'i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan'ilay tanàna afovoan'ny lohasahan-driak'i Gada, dia nankany Jazera.

6. Dia tonga tany Gileada izy, tany amin'ny tamin'i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,

7. ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin'ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin'ny tany atsimo izay an'ny Joda hatrany Beri-sheba izy.

8. Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.

9. Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.

10. Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.

11. Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

12. Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.

13. Ary Gada nankany amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin'izay naniraka ahy.

14. Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.

15. Ka dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin'ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.

16. Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 24