Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 2:7-21 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany.

8. Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,

9. dia nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.

10. (Ary efa-polo taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka amin'ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i Davida.

11. Ary ny andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy enim-bolana.

12. Ary Abnera, zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.

13. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, sy ny mpanompon'i Davida nivoaka ka nihaona tamin'ireo teo amoron'ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin'ny lafin'ny kamory avy izy.

14. Ary hoy Abnera tamin'i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.

15. Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida.

16. Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.

17. Ary mafy ny ady tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'ny Isiraely.

18. Ary mba teo koa izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.

19. Ary Asahela nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.

20. Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.

21. Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 2