Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 2:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.

6. Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.

7. Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany.

8. Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,

9. dia nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.

10. (Ary efa-polo taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka amin'ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i Davida.

11. Ary ny andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy enim-bolana.

12. Ary Abnera, zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 2