Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 2:24-32 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy, izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty ny masoandro.

25. Ary ny taranak'i Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon'ny havoana anankiray.

26. Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?

27. Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.

28. Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.

29. Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an'i Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.

30. Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i Davida.

31. Fa ny mpanompon'i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin'ny Benjamita sy ny olon'i Abnera.

32. Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 2