Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 19:31-37 Malagasy Bible (MG1865)

31. Ary hoy Mefiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin'ny tranonao indray.

32. Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an'i Jordana tamin'ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an'i Jordana.

33. Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.

34. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.

35. Fa hoy Barzilay tamin'ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin'ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?

36. Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon'ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin'ny mpanjaka tompoko?

37. Kely foana no handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordana hiaraka amin'ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 19