Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 19:2-16 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary nambara tamin'i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an'i Absaloma ny mpanjaka.

3. Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.

4. Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin'izany andro izany, toy ny fisokosokon'ny olona menatra raha mandositra amin'ny ady.

5. Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin'ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!

6. Ary niditra tao amin'ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain'ny vadinao sy ny vaditsindranonao;

7. fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.

8. Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin'ny mpanomponao; fa mianiana amin'i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.

9. Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin'ny lainy avy.

10. Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny firenen'Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, indrindra fa tamin'ny tanan'ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin'ny tany izy noho ny amin'i Absaloma.

11. Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin'ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin'ny hampodiana ny mpanjaka?

12. Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin'ny loholon'ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin'ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin'ny mpanjaka tao an-tranony

13. rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?

14. Ary ataovy amin'i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin'ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon'i Joaba ianao.

15. Ary dia nampitodika ny fon'ny lehilahy rehetra amin'ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.

16. Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an'i Jordana.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 19