Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 18:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy.

2. Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin'i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin'i Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin'Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.

3. Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 18