Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 14:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, nahalala fa ny fon'ny mpanjaka nalahelo an'i Absaloma ihany.

2. Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;

3. dia mankanesa ao amin'ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen'i Joaba teny izy.

4. Ary nony niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin'ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.

5. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.

6. Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.

7. Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany.

8. Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.

9. Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 14