Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 11:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.

9. Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.

10. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?

11. Fa hoy Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.

12. Ary hoy Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson'iny Oria.

13. Ary nasain'i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin'ilay nandriany teo amin'ny mpanompon'ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.

14. Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba, ka nampitondrainy an'i Oria izany.

15. Ary izao no soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.

16. Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an'i Oria ho eo amin'izay hitany misy lehilahy mahery.

17. Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin'i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon'i Davida, ary maty koa Oria Hetita.

18. Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 11