Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 11:18-27 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;

19. ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady,

20. ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?

21. Fa iza no namely an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.

22. Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan'i Joaba azy.

23. Ary hoy ny iraka tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.

24. Ary ny mpitifitra teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon'ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.

25. Dia hoy Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.

26. Ary nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.

27. Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 11