Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 1:16-26 Malagasy Bible (MG1865)

16. ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.

17. Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao

18. (ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara izany):

19. Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!

20. Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora.

21. Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.

22. Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.

23. Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.

24. Ry zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.

25. Endrey! lavo teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana.

26. Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 1