Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 6:12-24 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.

13. Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.

14. Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.

15. Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?

16. Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.

17. Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.

18. Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa.

19. Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.

20. Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.

21. Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?

22. Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.

23. Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.

24. Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an'i Samaria.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 6