Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 5:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.

4. Ary niditra Namana ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.

5. Dia hoy ny mpanjakan'i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.

6. Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.

7. Ary nony efa novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan'ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin'ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.

8. Ary rehefa ren'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'ny Isiraely, dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin'ny Isiraely.

9. Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa.

10. Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.

11. Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.

12. Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 5